- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTanana vaovao : Tsy ho diso anjara ny faritra Bongolava

Tanana vaovao : Tsy ho diso anjara ny faritra Bongolava

Trano fonenana manodidina ny 50.000 isa no hatsangana maneran’ny Madagasikara, araka ny Velirano faha-11 nataon’ny Filoham-pirenena. Tsy ho diso anjara amin’izany velively ny any amin’ny faritra Bongolava. Nisy araka izany ny fahatongavan’ireo solon-tenam-panjakana izay notarihin’atoa sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana, Atoa Andriamanjato Gerard Andriamanohisoa sy Atoa Augustin Andriamananoro, izay tale jeneraly misahana ny tetik’asan’ny filohampirenena. Tao anatin’izany no nisian’ny dinik’asa natao, niarahan’ireto tompon’andraikitrim-panjakana ireto sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony tao  an-toerana, notarihin’ny Govenoran’ny faritra Atoa Jly Ramiaramanana Joseph sy ny solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy. Nodinihana tamin’izany ireo fomba hoentina hanantanterahana ireo politika fampandrosoana rehetra hitondra fampiovarana teo anivon’ny faritra, fa indrindra hanantanterahana izany vinan’ny Filoham-pirenena izany. Fa tao anatin’izany ihany koa dia nisy ny fitsirihana ny toerana alohan’ny hanombohana ny tetik’asa hametrahana ireo trano fonenana sy tanana vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici