Fotoana efa elaela ihany izay no misy olona maro nitaraina amin’ny hafitsok’ireo olona manorina fonenana eny Ambohijatovo, somary anaty alaala kely ambony avaratry ny tonelina. Voalazan’ny vaovao fa mandeha manendaka izy ireo raha vao manomboka maizina ny andro. Tamin’ny alakamisy lasa teo, lehilahy iray tratra hariva no niharan’ny fanendahana. Nandeha tamin’iny ilany havian’ny lalana iny ity olona ity, niakatra avy aty Ambohijatovo ambany hihazo ny tonelina. Tampoka teo, ireny nisy andian’olona nidina avy ao amin’ilay zary tanàna kely, tonga dia nanendaka azy. Marobe ny olona nahita izany. Nifampisintonana teo ny sakaosy teny amin’ilay lehilahy. Tsy fantatra moa na azon’ireo olon-dratsy izany na tsia. Tsy sambany, hoy ny eny an-toerana, no nisy izany fa efa imbetska mihitsy. Tsy dia misy sahy mandalo intsony ny arabe ambany iny, araka izany. Marihana, hoy hatrany ireo mpampiasa iny lalana iny fa tsy azo andaloavana intsony ny lalankely miakatra ho any Ambohijatovo Ambony. Lasa toerana fanaovana maloto ilay izy, ary na ny mandalo eny aza mampatahotra mihitsy amin’ny antoandro. Taona maro no efa nisy olona nanorim-ponenana teny. Ireny tsy manankialofana ireny, manamboatra trano amin’ny baoritra sy plastika. Toerana kizo dia kizo. Ny resaka re eny amin’ny manodidina dia ny hoe, tsy lavitra eo akory no misy ny minisitera mpiahy ny mponina nefa dia toa tsy misy ny fandraisana andraikitra hanalana ireo olona lasa mpanendaka ireo. Na fara faharatsiny, hanalana azy ireo tsy handoto tanàna eo intsony. Manamarika ireo izay nampiasa iny lalankely iny tany aloha tany fa tsy tsy maintsy mihazo lalana hafa raha ho eny Ambojjatovo Ambony, satria ilay lalana manitsy efa toerana tsy azo lalovana intsony. Misy mpanendaka.
r.s.