Nanomboka ny alarobia alina tsy nitsahatra, raha tsy ny alakamisy antoandro ny orana teto Toamasina renivohitra, izay narahana kotro-baratra mandra-maraina ny alarobia alina. Vokatr’izany, ankoatra ny fatapatahan’ny herinaratra ny alarobia alina sy ny alakamisy manontolo ny andro, dia feno sy dibo-drano avokoa ny toerana sy fokontany maro eto Toamasina; misy aza ireo fokontany tahaka ny ao: Andranomadio, Ambalamanasy, Andranomadio, Cité Haras, Morarano, Ambalakisoa, Ambohijafy, Salazamay, Depot Analakininina, Tanambao V… ary Ankirihiry rehetra iny, dia saika miaina anaty rano avokoa ny ankamaroan’ireo tokantrano, satria efa tafiditra an-trano tanteraka ny rano omaly tontolo andro izay mbola misy ny tsy ritra hatramin’izao fotoana izao. Mandeha noho izany ny hanihanin’ny olona isam-pokontany hoe ““Miami” fa tsy “Venise” no notadiavinay eto Toamasina”. Raha ny zava-misy anefa, dia ny mpiara-monina ihany no miteraka olana amin’ny mpiara-monina aminy satria ireo fokontany sy faritra tena hanjakan’ny loto no tena misy ireo fiangonan’ny rano ireo noho ny fahantsenan’ny lalan-drano sy ny tatatra ary ny kalan-dranon’i Pangalana mandalo ao Mangarivotra sy Tanambao V ary Morafeno mivoaka an-dranomasina izay tsentsina ihany koa noho ny fanarian’ny olona fako ao anatiny efa hatry ny ela teto Toamisina. Ho hita eo izay hambaran’ny filoham-pirenena; izay milaza ny hitsidika an’i Toamasina renivohitra ny faran’ny herinandro izao, taorian’ny fitsidihana ny tany Maorisy farany teo; ny ben’ny tanànan’i Toamasina koa taorian’ny fampiatoana mbola miandry ny fanadihadiana sy ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny atitany, dia variana amin’ny maha-kandida depiote azy izay nisafidy ho isan’ny kandida ho solombavambahoaka ihany koa ao amin’ny distrikan’i Mahanoro.
Malala Didier