- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTanandava Toamasina : 12 lahy nitondra basy kilalao sy antsy lava, nanafika...

Tanandava Toamasina : 12 lahy nitondra basy kilalao sy antsy lava, nanafika magazay misy lavanila

Vola be tokoa ny vokatra lavanilina amin’izao fotoana izao, ka isany mampirongatra ny asan-jiolahy ao anatiny ny tsy fitovian’ny datim-piotazana sy fikirakirana ny vokatra, sy ny fisian’ireo “mpibizina” tsy matimanota amin’ny fividianana lavanilina halatra, izay heverina mihintsy fa mampiasa azy ireo amin’ny fangalarana ny vokatra ny hafa noho io vidiny io ihany. Ny sabotsy teo nifoha ny alahady, dia magazay iray misy vokatra lavanilina efa masaka tahirin’ity tompon’ny magazay tao Tanandava Toamasina Suburbain, no notafihan’andian-jiolahy 12 samy nitondra basy kilalao sy antsy lava. Vao tafiditra izy ireo, dia nampitahorin’izy ireo tamin’ilay basy kilalao ny mpambina avy eo nofatoran’izy ireo; taorian’izay dia nangalarin’izy ireo ny lavanilina tahiry tao anatin’ilay magazay izay tao anaty gony 10 sy baoritra iray milanja 262kg. Tsy vitan’izany fa nangalarin’izy ireo koa ny fitaovana fanaovan-trano tao anatin’ity magazay ity. Voalaza mantsy fa njitondra fiara mahazaka ireo entana efa nitiliany mialoha mihitsy ireto andian-jiolahy ireto nandritra izany halatra nitranga ny sabotsy nifoha ny alahady teo izany. Ny ahiahy tamin’ny fahitana ity fiara “Dina” nandeha alina sy nisy olona maromaro tao anatiny, no nanakanan’ny polisy azy tamin’izao raharaha izao, ka nahatrarana ireo entana sy lavanilina halatra ireto. Olona 10 no tratra tao anatin’ilay fiara, ny roa kosa tsy niara-dia tamin’izy ireo ka mbola karohina. Tao anatin’ny fanazavana nentin’ny kaomisera Rakotovao Christian nisahana ny fisamborana no nahalalana fa efa tamba-jotra na andian-jiolahy mpamaky magazay sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto olona tratra ireto ; izay saika mbola tovolahy manodidina ny 23 avokoa izy ireo na nahitana zokin’izy ireo roa 40 taona, Imbiky sy Jean Aimé, ihany koa. Ankoatra izay dia voalazan’ny polisy ny Tanambao II nanao ny fanadiadiana savaran’ando fa nokasain’izy ireo hamidy izay efa nisy nanao komandy tamin’ny 140.000 ariary ny kilao tamin’ireto navanilina efa masaka tahiry ireto; efa nanampikasana hanondrana azy ireo any ivelany aorian’ny fisokafan’ny taom-piotazana sy taom-panondranana lavanilina kosa izy ireto…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici