Ny 28 janoary teo dia nanatitra teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny fatin’i Luvien na Dovis, minona eny Mangarano ary manao fiambenana no asany. Raha ny tantara voaray dia nivoaka namonjy ireny trano fanaovana karaoke ireny izy ny namany ny alin’ny 28 janoary io, ary nitondra vola lelavola 50.000 ariary ny tenany hiarahan’izy sy ny namany manila azy, satria vao nahazo karama tamin’ny fitanteram-bato nataony ny tenany.
Araka ny fitantaran’ny maman’i Arilala izay nitaiza azy nandritra ny fito taona, dia efa maty rainy ary ny reniny marary saina ao Nosy Varika, noho izany dia izy no nitaiza azy. Tovolahy tsotra tsy tia ady aman’olona raha i Lucien ary tia fiaraha-monina ihany koa. Raha ny vaovao azo dia namany roa lahy Armel sy Ravazaha no naira-dia taminy ny alin’io 28 janoary io, ary mbola io anarana io no tao anaty boky firaketany hopitaly be. Taorian’izay dia nampilaza ny olona mitaiza azy izy roa lahy fa marary mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana ingahy Lucien ka eny amin’ny hopitaly be izy izao. Gaga ireo olna nitaiza azy fa tsy olona maratra no nitany fa olona efa maty tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be. Taorian’ny fandevenana dia tong any fianakaviany nametraka fitoriana, ka natao ny fanadiadiana rehetra, fantatra tamin’izany fa voasambotra i Armel raha efa tafatsiana tany Antananarivo kosa ingahy Ravazaha. Niezaka ny polisy nikaroka ny nisy azy ka izao voasambotra izao ihany ny tenany. Nandritra ny fanadiadiana savaranondo no nahalalana fa nikasa hamaky ny tranon’ilay dokotera hiambenany Lucien ireto telo, nefa tsy nanaiky izany ny tenany.
Vokatra izany dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity Lucien ity. Nisy ihany koa ny daroka nahazo azy sy nofatorana tady ny tendany ka rehefa maty dia nentina tuc-tuc ary nolazaina hoa tratry ny lozam-pifamoivoizana. Raha ny fahitany polisy azy dia tsy vitan’olona telo ny zavatra tahaka izao, ka mbola mitohy ny fikarohana mikasika ity raharaha ity…
Malala Didier