Isan’ny lalana tena ahitana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalana ao Tanandava izay mbola ao anatin’ny lalam-pirenena faharoa; saika mahafaty olona avokoa izay loza mitranga mandritra izany noho ny firimorimon’ny fiara sy ireo mpampiasa ny lalana mihazo izany lalana izany. Ny sabotsy teo tokony tamin’ny 05ora hariva dia nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny tao Tanandava; fiaran’ny koperativa Cotisse avy any Antananarivo hiazo an’i Toamasina no nifaoka mpanosika kalesa teo alohany ka noho ny hamafin’ny fifandonana dia maty tsy teo ny iray raha teny an-dalana namonjy hopitaly kosa vao maty ny iray. Nijery ny raharaha avy hatrany ny polisy raha vao nahazo antso amin’ny fisian’ity lozam-pifamoivoizana ity, ary nihazona avy hatrany ilay mpamily noho ny loza nataony niteraka faty olona. Ho an’ireo mpandeha tamin’ity taksibrosy ity kosa dia nambaran’izy ireo fa “hitanay efa reraka ilay mpamilinay tamin’ny Dia nataonay, saingy teny an-dalana rehetra dia niezaka ny nitandrina hatrany izy nefa izao tafita vao rendrika izao ny niafarana”; nohamafisin’ireto mpandeha hatrany fa “fahazarana amin’ity koperativa ity ny fanaovana dona miverina amin’izao noho ny fisian’ny mpandeha sy ny tsy fahampian’ny fiara ao aminy, ka mazana mitera-doza hatrany ireo mpamiliny eny an-dalana, ary efa fanintelo amin’izao izaho izao no tratran’ny loza nataon’ity koperativa ity noho faharerahan’ny mpamiliny”. Andrasana izany ny fandraisana andraikitry ny mpitantanana ity koperativa ity ho an’ny mpiasany sy ny mpanjifany.
Malala Didier