- Publicité -
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilFaits-DiversTanandava Toamasina : Misy vondron’olona lian-drà izany

Tanandava Toamasina : Misy vondron’olona lian-drà izany

Tsy nifarana akory ny resaka fanafihana mitam-piadiana teto Toamasina dia mipoitra indray ny tranga hafa mampitebiteby ny mponina. Tovolahy 23 taona antsoina hoe Tendry no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana teo amin’ny lalana balance ao Tanandava.  Alin’ny alahady 12 martsa nifoha ny alatsinainy 13 martsa no nitrangan’izany ; ka araka ny vaovao voaangona dia avy namonjy lanonam-pianakaviana sy fety tsingerin-taona nahaterahan’ny rahalahiny ity tovolahy maty nisy namono ity. Araka ny angom-baovao ihany dia olona efa-dahy no nitsena azy raha izy hody iny, ka avy hatrany dia tsindron’antsy no nitsena azy nataon’ireto efa-dahy ireto. Nianjera izy azy mbola nitohy ny tsatok’antsy nahazo ilay tovolahy ; ka olona nahita azy teny an-tsisin-dalana no nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Vokatry ny fahaverezanan-drà be loatra sy ny ratra nahazo azy dia namoy ny ainy ny alatsinainy teo ilay tovolahy. Talohan’ny nahafatesany anefa dia mbola afaka nitantara ny nanjo azy ny tenany, nefa ny tenany tsy sotasota sy olon’ny fiarahamonina, ary finday aza tsy hananany, hoy ireo fianakaviany sy ireo namany. Gaga izy ireo manoloana izao famonoana tamin’ny fomba feno habibiana azy izao. Araka ny angom-baovao natao dia misy izany andian’olona lian-drà zany ao Tanandava ao; vondron’olona lian-drà mitondra ny anarana hoe “FLM”, anarana tsy misy ifandraisany amin’ny anaram-pianganonana FLM fa anarana napetraka izy ireo ho famantarana azy. Fahafinaretana sy fialamboly ho azy ireo ny manindrona antsy sy mandatsa-drà olona tsotra tratra alina. Tsy manendaka ireto vondron’olona ireto, ka heverina no isany namono an’i Tendry satria tsy nisy zavatra  very teny amin’ity olona voatsidrona antsy ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici