- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTanandava : Voasambotra ireo nanafika ny fiaran’Ambatovy

Tanandava : Voasambotra ireo nanafika ny fiaran’Ambatovy

Nosakanana tamin’ny vatan-kazo ny làlana. Rehefa tsy afaka nihetsika intsony ny fiara tsy mataho-dàlana, avy hatrany dia norarafana tamin’ny tora-bato sy toraka pilotra ny olona tao anatiny. Fiaran’ny orinasa Ambatovy, raha araka ny fanamarihan’ny zandary, no niharan’izany. Naratra avokoa ny olona tao anatiny izay mpamily iray sy mpiambina  dimy. Rehefa nijanona anefa ny fiara dia tsy nisy na inona na inona norobain’ireo olon-dratsy akory. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana rehefa nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary ireo naratra. Olona efatra no voasambotra ary voalaza, fa nandray anjara mivantana tamin’io fanafihana hafahafa io. Mbola sarona niaraka teny amin’ny sasany tamin’ireo olon-dratsy ny fitaovana nampiasaina tamin’io fotoan’ny fanafihana io. Azo heverina fa gafy ve ity tranga ity sa kosa nisy fananana izay nokasain’ireo olon-dratsy nalaina ?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici