- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTandremo ny mpisoloky

Tandremo ny mpisoloky

Tsy tery làlana ny ratsy ary efa misy mihitsy aza angamba miofana manokana hanambaka olona sy hangalatra. Maro ireny toerana hampiasan’ny mpandraharaha amin’ny telefonina ireny azo angalana vola sy handefasana vola. Tena misy anefa ireo mampiasa izany hangalarana fotsiny izao. Efa maro ireo olona voan-dry zalahy, vao tamin’ny talata lasa teo, olona mitana ireny fandefasana sy fangalana vola ireny no voasoloky hatrany amin’ny 200 000 ariary. Raha ny fandehan-javatra dia sahalan’ny voan’ny fandraikiraikena ilay nandray ny vola. Omena ireo olona ny vola halefany. Ataony tsy ampy izany. Rehefa avy manisa ilay nandray dia nilaza fa tsy ampy io vola io. Toa tsy taitra akory ireo mpisoloky ary dia manone izay ho famenony apetrany eo ambonin’ilay vola tsy ampy. Dia entin’ny fitokisana ilay mpiasa ka tsy namerina nanisa intsony teo imaso teo. Dia mody miala nilaza fa hividy sigara ireo mpanambaka ka hiverina haka ny rosia. Tsy hita intsony anefa izay nalehany. Teo vao tonga saina namerina nanisa vola ilay tompon’ny tsena ary nahatsapa fa vola tsy ampy be dia be io noraisiny io. Niezaka niantso fa efa maty ilay finday. Niantso ny tompon’andrikitry ny mpandraraha nampiasaina tamin’io fandefasana vola io. Ity farany nilaza fa vao minitra vitsy monja no nisintonana an’io vola nisy nandefa io. Teo vao ankona ilay tompon’ny tsena.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser