- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Bizina bala, ramatoa lehibe iray voasambotry ny pôlisy

Tanjombato : Bizina bala, ramatoa lehibe iray voasambotry ny pôlisy

Voatondro ho isan’ireo mpamatsy fitaovam-piadiana amin’ireo malaso sy jiolahy any amin’iny faritra Melaky, Bongolava ary Anosy iny ity vehivavy lehibe iray manodidina ny 50 taona ity. Voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny trano fonenany teny Tanjombato. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao azon’iretsy voalohany no nahafahana nitily sy nanara-maso ny zava-panaon’ity ramatoa ity. Tamin’io fotoana io ihany koa, hoy ny vaovao hatrany dia nisy olona voalaza fa mpamatsy fitaovam-piadiana any amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo, mikonokonona ny hividy bala. Napetrak’ireo mpitandro filaminana ny harato, ka tra-tehaka teo am-panomezana ireto entana ireto mihitsy ireo olona ireo. Efatra izy ireo no tao amin’ilay trano saingy araka ny vaovao hatrany dia tafaporitsaka rehefa niditra nanao am-boletra iny ny mpitandro ny filaminana. Tratra tany amin’ireto olona ireto araka izany ny bala “calibre 16 chevrotine” miisa 130. Araka ny fantatra hatrany dia efa ela ity ramatoa ity no nanao ity bizina ity. Ary izy mihitsy raha ny vaovao no karazana mpamongady ireto fitaovam-piadiana ireto. Ireo mpaninjara, manaparitaka izany fitaovam-piadiana izany any amin’ny faritra kosa dia ao aminy no maka. Tamin’ny fanadihadiana natao an-dramatoa no niaikeny fa mpivarotra izy ary mpamatsy bala ireo malaso sy olon-dratsy amin’iretsy faritra iretsy hatrany. Faritra izay voasokajy ao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahelamana sy ny asan-dahalo. Ny fanontaniana mipetraka eto dia hoe, avy aiza ireto bala marobe eo am-pelan-tanan’ity ramatoa ity ireto ? Iza indray no ao ambadika : mpitandro filaminana sa tompon’andraikitra ambony, raha toa ka nafarana izany. Marihana fa hatreto dia mbola voararan’ny lalàna ny fivarotana itony fitaovam-piadiana mahery vaika sy fampiasan’ny mpitandro filaminana itony, ka ao anatin’izany ny basy sy ny bala.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici