- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanjombato : « Cybercafé » mpanao hosoka amin’ny antontan-taratasin’ny « passeport »

Tanjombato : « Cybercafé » mpanao hosoka amin’ny antontan-taratasin’ny « passeport »

Sarona fa sandoka ny antontan-taratasy sasany ilaina amin’ny fanaovana pasipaoro etsy Anosy. Ny taratasy fanamarinana asa sy ny taratasy fanamarinana ny toeram-ponenana rehefa tonga any ivelany no nampiasan’ny ramatoa iray hosoka. Voatery nanokafan’ny polisy misahana ny fanaovana pasipaoro fanadihadiana ilay ramatoa. « Rehefa noadiadihana tao amin’ny SCES izy dia nilaza fa novidiny 1.500 Ariary tao amin’ny cybercafé iray teny Tanjombato », raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Tsy nojanona teo ny fanadihadiana fa nizotra tany amin’ny fikarohana ilay toerana fandrafetana taratasy hosoka. « Ny 05 may teo dia nidina teny Tanjombato ny polisy nanamarina izany ary hita tao tokoa ilay cybercafé nolazain’ilay ramatoa. Natao ny velam-pandrika ka voamarina tokoa fa mivarotra taratasy fikarakarana dosie maro ilay toerana. Nosamborina avy hatrany ny tompon’ilay cybercafé sy ilay mpiasany. Nentina natao famotorana tany amin’ny birao’ny polisy ary samy niaiky ny heloka vitany nandritry ny famotorana natao tamin’izy ireo », hoy hatrany ny polisy. Natolotra ny fampanoavana noho ny fanaovana taratasy hosoka ireo roalahy Izay 31 sy 41 taona.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici