- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Efa-dahy nandroba môtô, naratra mafy ny tompony

Tanjombato : Efa-dahy nandroba môtô, naratra mafy ny tompony

Teo amin’ny tetezan’i Tanjombato no nitranga ilay fandrobana. Tokony ho tamin’ny valo ora alina, ny alarobia teo, no nisy efa-dahy izay nanakana avy hatrany ny lehilahy iray nandeha scooter. Ny roa nandona mafy ny môtô ary ny roa kosa nisintona ny olona teo amboniny. Raha vao lavo tamin’ny tany ilay lehilahy dia narahina daroka avy hatrany. Naratra mafy io farany ary tapaka hatramin’ny nifiny. Entina hilazana izany ny fahavoazana nanjo azy. Zara raha nahavita nitsangana izy hatramin’ny omaly, raha ny fanampim-baovao azo. Ireo efa-dahy kosa sendran’ny pôlisy eo anivon’ny kaomisaria foibe Tanjombato izay nanao fisafoana tamin’iny toerana iny. Nanaitra ireo olon-dratsy izany. Rifatra nitsoaka tany anelakelan-trano ireo ary navelany teo ilay môtô. Azo lazaina ho divi-janahary ihany no tsy nahafaty ilay olona norobaina, satria tsy an-kijanona ny daroka ary raha tsy nahita ireo polisy ny jiolahy dia mety ho nahiana mafy ny ainy. Izy tenany rahateo torana tamin’ny fotoana nahitan’ny pôlisy azy. Tsy tadidiny hatramin’ny zava-niseho noho ny fahavoazana mafy, raha tsy ny ampitson’iny. Nentin’ny polisy teny amin’ny biraony etsy Tanjombato ny môtô izay potika ny ampahany lehibe ainy, mba hiarovana azy tsy halain’ny jiolahy indray. Ny naratra kosa nentina nitsabo tena teny amin’ny hopitaly. Zavatra roa no azo tsoahina tamin’ity tranga ity. Tsy holazaina intsony hoe mitady vola mafy ny jiolahy rehefa ankatoky ny fety. Ny zava-misy kosa, dia manintona azy ireo hatrany ny mandroba ny môtô sy ny olona mitaingina azy. Mila mailo arak’izany rehefa mandeha amin’ny alina, mba tsy handeha amin’ny toerana tsy dia misy olona na koa farafaharatsiny tsy mandeha irery. Ny faharoa indray, dia porofo ity tranga ity fa mampihena ny asan-jiolahy ny fivezivezin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny alina, na miendrika fisafoana izany na tsia. Marina fa tsy ho ampy mihitsy ny isan’ny olona izay hanara-maso etsy sy eroa, saingy ezaka tokony mba hapetraka amin’izay ny, farafaharatsiny, ny fametrahana mpitandro ny filaminana eny amin’ny faritra maizina sy akaiky elakelan-trano.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici