Nisy vehivavy iray torana ary tsy fantatra izay tena nanjo azy, izay no niatombohany. Rehefa nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana izy, dia tsy avotra intsony na nialana nenina aza. Raha nandre izany ny mpiara-miasa taminy ny ampitson’iny (ny zoma teo) dia nisy tsy latsaky ny dimy indray no safotra ary voatery nentina koa teny amin’ny hopitaly. Ny andron’iny ihany dia fantatra fa namoy aina ny ramatoa iray. Teo amin’izay no nanomboka nihorohoro ny mpiasa teo anivon’ny orinasa afaka haba iray; izay iasan’ny olona aman’arivony. Toe-javatra mbola tsy nitranga mantsy izany, hany ka nandeha avy hatrany ny honohono isan-karazany. Maro tamin’ireo mpiasa koa no natahotra ny ainy noho ny fisian’ilay fahafatesana nifanesy sy ny fisian’ny torana maromaro. Vokatr’izay fiasan-tsaina izay ary koa mba hahafantarana ny tena antony nitarika ny fahafatesana, dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitr’ilay orinasa ny nanajanona ny asa ka nampody ireo mpiasa ,omaly. Marobe ny petra-kevitra nandeha manoloana ny zava-nitranga. Na izany aza, dia nisy ny nanazava fa tsy dia mafy loatra ny asa ary heverina fa tsy harerahana no nitarika ny fahafatesana. Ho an’ny fahafatesana faharoa indray dia ny fihetseham-po tamin’ny fahenoana fa maty ilay ramatoa voalohany no eritreretin’ny mpiasa ho antony. Ny amin’ireo torana maromaro, manodidina ny dimy ary samy vehivavy avokoa, no tsy ahitam-panazavana loatra. Koa satria hafahafa amin’ny mpiasa ireo famoizana ny namany roa izay nifanelanelana andro iray, dia heverina fa ilaina ny hisian’ny fanadihadiana anatiny eo anivon’ny orinasa mba hampilamin-tsaina ireo mpiasa na koa mba hahafahana mandray fepetra, raha sanatria ka aretina mety hahazo ny daholobe no nahazo ireo namany. Olona an’arivony mantsy no miasa eo anivon’io orinasa afaka haba io ka raha sanatria aretina mety hifindra no nanjo ny sasany, mety ho loza mitatao avy hatrany. Izay no ilana fanokafana fanadihadiana amin’ny tranga mitovy amin’izao.
D.R