- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Fanafihana taxi, mirotsaka hatramin’ny sarim-bavy !

Tanjombato : Fanafihana taxi, mirotsaka hatramin’ny sarim-bavy !

Misesisesy mihitsy ireo mpanafika “taxi”, tato anatin’ny volana vitsivitsy izay. Ireny fiarakaretsaka ireny marina no vola vetivety ho an’ireo olon-dratsy sa ny fiainana mihitsy no efa mitotongana, fa dia mirotsaka an-tsehatra hatramin’ny sarim-bavy mantsy. Tranga izay niseho teny Tanjombato, ny alarobia alina lasa teo. Araka ny fitantaran’ny naman’io mpamily mpitondra taxi io, dia nanakana azy hiakatra any Analakely ny lehilahy iray, miendrika vehivavy, miaraka amin’ny pôketra sy ny ny solo-volo. Iza amin’izao fotoana izao tokoa moa no handà vola, fa dia noentina ity olona. Rehefa nandeha kelikely anefa ny fiara, araka fitantaran’ny mpamily tamin’ireo namany, dia toa ireny nikarokaroka zavatra tao anatin’ny pôketrany ireny ity olona ity, hitany tamin’ny fitaratra teo aloha. Nanentoento mafy ihany koa ny fofona mahanjenjina ka mailo avy hatrany ny mpamily, nampidina azy tamin’ny alalan’ny fitaka, sy nitsoaka. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe, ity taxi ity ve no saika nataony lasibatra sa olon-kafa, izay mety ho mpanjifany ? Raha ny filazan’ireo efa voa mantsy, misy amin’ireo sarim-bavy mpijorojoro eto an-drenivohitra no manendaka rehefa somary maina iny ny tsenan’izy ireo. Mazàna hisehoan’izany ny eo Antaninarenina sy Analakely. Raha mikasika ireo taxi indray, betsaka amin’izy ireny no miasa alina, mba hanenjahana “versement”. Ny hany mba fiarovany amin’izay fotoana izay dia ny namany iray hafa entin’ny mpamily miaraka aminy, raha tsy misy afa-tsy izy tenany irery kosa ho an’ny hafa. Hany ka mora lasibatra amin’ny asan-jiolahy izy ireo. “Miantehatra amin’ny fijerena ivelany ireo olona manakana amin’ny alina fotsiny no mba mety hisorohana ny fanafihana. Raha toa ka olona hafahafa, amin’ny toerana mangingina dia tsy mandray mihitsy izahay” hoy ny fanazavana mpamily taxi iray, raha nanontaniana ny momba ny fiarovan-tenan’izy ireo amin’ireo fanafihana miseho lany etsy sy eroa. “Tsy hita fa ny vava tsy maintsy mihinana. Ny hirariana dia ny mba tsy ho sendrany fotsiny …”

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser