Ny alin’ny talata teo, tokony ho tany amin’ny 11 ora tany ho any, fiara iray marika Toyota no latsaka tany anaty ranon’Ikopa teny Tanjombato amin’ny toerana antsoin’ny rehetra hoe Hazoberavina. Olona efatra no tao anatiny ka fantatra fa ny telo tamin’izy ireo dia tafavoaka raha vao niseho ny loza. Nisy ihany moa nahita ny fandehan-ny loza ka afaka nanampy tsara azy ireo hivoka ny rano. Rehefa avy eo, nalefa haingana tany amin’ny hopitaly. Ny iray kosa na dia efa natao aza ny fikarohana omaly dia tsy mbola hita. Teny an-toerana ny mpamonjy voina nanao izay azony natao fa niala maina. Ny antony nahatonga ny loza tsy mbola voafaritra mazava. Na izany aza anefa, teo amin’ny tandrifin’ilay nampianjera io fiara io dia misy fahasimbana ny lalana ary misy ampahany mihotsaka. Tsy hay na tsy nahamarika izany ny mpamily na ahoana, ka izay no nampilatsaka ny fiara nentiny tany anaty rano. Ireo mpampiasa iny lalana iny dia samy milaza, na dia eo aza izany fihotsahana izany, izay mahatonga ny lalana miaha-tery, tsy mba misy na dia zavatra kely akory aza mipetraka amin’ny sisin-dalana tokony hahalalana io fahasimbana io. Maro ireo manakiana izany tsy fandraisana andraikitra izany eo anivon’ny ambaratonga samihafa.
Ny eny an-toerana dia mahafantatra tsara fa amin’ny fotoana mahamaina ny andro, toerana fangalana fasika eo amin’io ampahan’ny renirano io. Araka izany, mihalalina eny. Ny herin’ny rano koa, etsy andaniny bebe ihany satria tsy dia lavitra ny barazy.
r.s.