- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanjombato : Fiara nandona nahafaty olona lasa nandositra

Tanjombato : Fiara nandona nahafaty olona lasa nandositra

« Docker » iray no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Naratra mafy tokoa izy ary izany no nitarika ny fahafatesany

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny Andohavato Tanjombato ny alarobia tokony ho tany amin’ny 8 ora alina tany ho any. Fiara iray nandona olona nandeha tamin’ny sisin-dalana. Tsy nijanona mihitsy anefa ilay izy fa lasa nirifatra nandeha ihany, hoy ireo izay nanatrika ny fandehan-javatra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa roalahy samy mpibata entana (docker) no niaraka nandeha nody. Ny iray 30 taona ary ny faharoa eo amin’ny 32 taona. Mipetraka eny amin’iny faritra iny izy ireo. Rehefa teo akaikin’ny tetezana teo anefa izy ireo no voafaoka ilay 30 taona. Naratra mafy tokoa izy ary taitra mafy ilay namany ka nibata azy nentiny nody tany an-tranony. Raha nahita an’izany ny reniny dia nilaza taminy ny tsy maintsy hitondra haingana io maratra io any amin’ny hopitaly Ampefiloha. Efa bebe ihany, araka izany ny fotoana lany. Ilay naratra anefa niha reraka.  Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy tonga tany amin’ny trano fitsaboana dia tsy tana ny ainy.

Mbola tsy nanambady ity olona maty ity ary ny tena nampalahelo ny manodidina dia mbola kely izy no maty avokoa ny rainy sy ny reniny.

Fa lozam-pifamoivoizana hafa ihany koa no niseho teny Ampitatafika omaly maraina. Ankizy kely eo amin’ny 3 taona eo no nofaohin’ny fiara ka naratra. Nezahina nentina teny amin’ny HJRA nefa dia tsy tana ihany koa ny ainy.

r.s.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser