- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Fiarana teratany karàna voatoraka baomba

Tanjombato : Fiarana teratany karàna voatoraka baomba

Mbola resaka fakana an-keriny ihany. Fiarana teratany karàna iray no fantatra, fa nisy nitoraka baomba, omaly hariva, tetsy Tanjombato. Vokany, tovolahy iray 23 taona no maty tsy tra-drano, raha  nisy olona roa hafa naratra mafy ary nalefa notsaboina eny amin’ny hôpitaly. Raha ny angom-baovao azo dia saika haka an-keriny ireto olona tao anatiny, izay nisy zanaka teratany karàna iray ireo olon-dratsy. Niezaka nanakana ity fiara ireo andian’olon-dratsy, saingy tsy tafajanon’izy ireo ilay fiara. Ny niafarany, toy ireny tanaty horonantsary ireny, dia notorahan’izy ireo baomba miendrika grenady ilay fiara ary nipoaka. Voalaza moa, raha ny angom-baovao azo hatrany, dia baomba vita tànana ity natoraka ilay fiara ity ary niteraka izao faharatrana sy famoizana aina izao. Zanaka mpandraharaha karàna antsoina hoe Farouk Daya ity namoy ny ainy ity, ary an-dalana hamonjy ny fodiany, raha avy nivarotra teny Isotry izy ireo tamin’io fotoana io. Efa tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, na ny zandary izany na ny pôlisy. Ireo nahavanon-doza kosa, dia nanararaotra nitsoaka. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha araka izany.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici