- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanjombato : Halatra lamba 14 taonina, olona enina vosambotra

Tanjombato : Halatra lamba 14 taonina, olona enina vosambotra

Tetsy Ambohimalaza, ny 03 aprily tokony tany amin’ny valo ora alina, no nosakanana olona maromaro izay manao fanamiana mpitandro ny filaminana, ity camion iray izay mitatitra lamba avy any Toamasina. Avy hatrany dia nijanona moa ity fiarabe ka nasain’ireto mpitandro ny filaminana hamoaka ny taratasin’ny fiara sy ny taratasy mikasika ireo entana nentin’izy ireo. Tamin’izany no nilazan’ilay mpamily fa lamba ny ao anaty fiara. Tsy nanaiky anefa ireto mpanakana ka nilaza fa misy basy ao anatin’io fiara io ka nasain’izy ireo nidina ny fiara ilay mpamily sy ny mpanampy azy ary olona iray izay nasain’ny tompon’entana nanaraka ilay fiara.

Raha vao tafidina ny fiara anefa ireto farany dia nopetahana « menotte » ny tanan’izy ireo ary minitra vitsy tao aorian’izay dia tonga ny  fiara 4×4 tsy mataho-dalana iray nentin’olon-tsotra, ka nafatratra tao izy ireo. Nosoloina tady moa ilay menote namatorana ny tanan’izy ireo ary notapenana tamin’ny scotch ihany koa ny vavan’izy ireo. Nizotra nankeny amin’ny lalan’ny By Pass iny moa ny lalan’izy ireo ary teny no nanariana tsikelikely ireto olona. Ny maraina moa vao hitan’ny olona teny amin’ny manodidina ireto olona ka nentin’izy ireo teny amin’ny tobin’ny zandary.

Ny 05 aprily kosa ireto olona tompon’entana very no nametraka fitoriana tetsy amin’ny borigady misahana ny heloka be vava(BC3). Napetraka tamin’izay ary ny vela-pandrika fa nisy lehilahy mitady lamba. Nohamafisina ny alahady lasa teo ny fotoana ka teny Tanjombato ary tamin’ny folo ora maraina no raikitra fa hihaonana.  Rehefa nojerena ary ireto entana dia voamarina fa ireo entana  very teny Ambohimalaza tokoa. Tonga dia nosamborina moa izy roalahy ireto, ka Jeannot sy Ndriana no anarany. Nanambara izy ireo mpanera fa tsy tompon’ny lamba akory. Nisy ihany koa moa mpiambina ilay toerana nitobian’ireo lamba ireo miisa efatra nosamborina.

Rehefa natao ary ny fidinana teny an-toerana dia lamba 14 taonina no hita teny Tanjombato, ary tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa saika hamidy 3000Ar ny kilao tamin’ireto lamba halatra ireto, ka nifanaraka ilay mpiambina sy ny mpangalatra fa hanofa 8.000.000Ar ny fitobian’entana. Niaiky moa ry zalahy fa ilay lamba avy any Toamasina ireto. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha amin’izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser