- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Lasibatry ny mpanendaka ny mpiasan’ny « zone franche »

Tanjombato : Lasibatry ny mpanendaka ny mpiasan’ny « zone franche »

Ny alatsinainy hariva lasa teo, mpiasa amina « zone franche » handeha hody no lasibatry ny mpanendaka teny Ankeniheny, Tanjombato. Lasa tamin’izany ny vola sy izay zavatra sarobidy tany aminy. Araka ny fantatra dia faritra efa malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanakanana olona io toerana io ary efa mampitaraina ny mponina fatratra mihitsy, indrindra fa ireo mpiasa mirava hariva, tsy maintsy handeha hody. « Eo amin’ilay lalan-kely miditra eo amin’ny Aquarel zone Forello, mivoaka eny Ankeniheny (…) Izay olona mitsofoka any amin’ilay lalana dia iharan’ny asa ratsy avokoa » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ka nidina teny an-toerana. Natao ny vela-pandrika ka lehilahy iray, 26 taona, izay nampiseho fihetsika nampiahiahy no sarona. Ambonin’izay moa dia mbola nahatratrarana sabatra lava lela eo amin’ny 80sm eo tany aminy. Azo heverina avy hatrany fa ity lehilahy ity no isan’ireo mpanakana sy mpanendaka eo amin’io lalan-kely io. Filazan’ireo efa lasibatra tamin’ireo mpitandro filaminana mantsy dia hoe «  ambanan’ilay olon-dratsy amin’ny sabatra lava lela mirefy 80cm ilay olona ary alainy ny vola sy ny entana eny amin’ilay olona endahiny ». Azo antenaina araka izany fa mba hody am-pilaminana amin’izay ireo mpiasa ary hilamin-tsaina ireo mponina eny amin’iny faritra iny. Raha tsy hoe efa maromaro ry zalahy ka raha voasambotra ny iray dia ny hafa manohy ihany. Saingy inoana fa efa nandray fepetra ny amin’izay zavatra izay ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici