Mitohy tsy mijanona ny fanenjehana mpivarotra rongony ataon’ny mpitandro filaminana miady amin’ny fianahan’ny zavamahadomelina. Fantatra fa lehilahy iray indray no tratra teny Ankadilalampotsy Tanjombato. Nahazo vaovoa ny polisy fa, misy mpivarotra rongony eny an-toerana. Rehefa nandeha teny izy ireo dia nahatratra an’ilay lehilahy tao an-tranony. Nahitana fonosana rongony 85 tao. Rehefa nofotorana ity olona ity dia nilaza fa izany Soja avy any Ihosy izany no mpamatsy rongony azy. Vidiny 25 000 ariary ny iray sachet ary, avy eo amidiny antsinjarany, ka 500 ny fonosana iray antsoina hoe karaoty. Natolotra ny Fampanoavana omaly ity lehilahy ity.
nangonin’i r.s.