- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Lehilahy namoy ny ainy, nitsoraka tao Ikopa

Tanjombato : Lehilahy namoy ny ainy, nitsoraka tao Ikopa

Hatairana ny an’ny mponina teny Tanjombato omaly , tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tany ho any. Rangahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo mantsy, no hitan’ireo fokonolona nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopta teny amin’ny toerana fantatry ny rehetra hoe Beravina. Nitangorona avokoa ny olona, toa niandry izay fotoana nipoiran’ity lehilahy ity. Tao ihany koa ireo niantso avy hatrany ny mpamonjy voina, izay tonga haingana tao anatin’ny fotoana fohy, teny an-toerana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireto farany nikaroka ity rangahy ity. Minitra maromaro taty aoriana, indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa no nampakarin’ireto mpamonjy voina avy anaty rano. Raha ny fitantaran’ireo mponina teny an-toerana, dia tsy olona monina eny amin’iny faritra iny ity rangahy hita faty ity. Na dia mbola teny aminy ihany koa aza ireo fitafiany, tsy nahitana  taratasy mombamomba azy tany aminy, raha ny fantatra teny an-toerana. Hatreto dia mbola mijanona ho mistery tanteraka ny antony nampitsoraka ity lehilahy ity avy eny ambony tetezana. Famoizampo tanteraka ve sa loza nitranga ? Azo eritreritina mantsy ny hoe nisolifatra, dia latsaka na sanatria hoe nisy nanosika. Na izany na tsy izany, dia fantatra fa efa nanokatra fanadihadiana ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly kosa ny razana, miandry izay hakan’ny fianakaviany azy. Toerana isan’ny malaza ity toerana misy tetezana eny Tanjombato ity. Nambaran’ireo mponina eny hatrany, fa efa maromaro ireo olona tratran’ny famoizampo, no nitsoraka tao Ikopa teo amin’io faritra io. Ary indrisy fa efa vatana mangatsiaka avokoa no naloan’ny rano avy  tany, efa ho andro maromaro mihitsy ny sasantsasany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici