Velon-taraina ireo mponina, indrindra fa ireo mpanorina trano eny amin’iny faritra Tanjombato ity. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia tsy mitana mihitsy ilay simenitra, kanefa dia isan’ireo marika malaza eto an-toerana. Misy tamin’ireo olona ireo no mahatsikaritra fa saika ireo simenitra nalaina tao amina mpamongady iray eny an-toerana io tsy mamely io. Araka ny filazan’ireo olona hatrany dia toa hoe, simenitra efa simba sy ilay efa mivaingana ireny no averin’ny tompon’ity tranombarotra ity, izay teratany vahiny, vakiana sy potehina ho lasa vovoka indray, ary averiny ao anatina kitapo vaovao. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa kitapona simenitra efa niasa maromaro no ampiasainy amin’izany, ary mampiasa olona maromaro ny tompon’ny fivarotana amin’ny fitotoana ireo simenitra mivaingana ireo. Roa arivo ariary eo ho eo no karaman’ireo mpiasa ireo. Etsy andanin’izany anefa dia somary hafahafa ihany ity tranom-barotra iray ity, satria dia miovaova anarana foana. Efa nisy ihany koa ny fampahafantarana nataon’ireo mponina tamin’ny tompon’andraikitra mikasika izao hosoka izao, fa indrindra ihany koa ny fomba fampiasana ireo mpiasa ao amin’ity orinasa ity, saingy toa mbola manohy ny fanaony foana ity tompon’ny fivarotana ity, raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana hatrany. Eo anatrehan’izany dia manao antso avo izy ireo. Ambonin’ny vola very tokoa mantsy ho an’ireo mpanjifa, dia mety ho loza mitatao ho an’ny rehetra ny amin’ny mety ho firodanan’ny trano izay hamboarina tokoa mantsy ny fisian’izao simenitra hosoka izao.
Nangonin’i m.L