Olona telo voarohirohy amina resaka vaky trano tao amin’ny faritry ny kaominina Tanjombato iny no natolotra ny Fampanoavana, omaly tetsy amin’ny Fitsarana Anosy. Lehilahy sy vehivavy mpisakaiza ny roa amin’izy ireo. Ireto farany izay voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Tanjombato teny Malaho, ny 27 novambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, noho ny fitoriana nataon’olona iray vaky trano. Nandeha tany Mahajanga ny tompon-trano ka nomena ramatoa iray ny fanalahidy, mba hijereny sy hiambenanany ny trano. Ity farany indray, avy eo, no nanome ny fanalahidy an’i Jean Charles mba hatory tao amin’ilay trano. Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra ny sakaizany natory tao i Jean Charles. Ity sakaizany ity no nanome loha azy mba haka ireo entana maromaro tao. Lasa tamin’izany ny « mini- chaine » marika Sony iray, fitoerana gilasy (glacière) miisa roa, bisikileta iray, ary kiraro sy akanjo maro be, izay mitentina eo amin’ny 1,2 tapitrisa ariary eo ho eo. Rehefa nampandrenesina ny zava- niseho ny tompon-trano dia niakatra taty Antananarivo ka nametraka fitoriana tany amin’ny Polisy. Mbola tratra tany amin’izy ireo avokoa ireo entana nangalariny rehetra ka efa naverina any amin’ny tompony.
Nampangain’ny fitafiany. Ny lehilahy fahatelo kosa dia voarohirohy ho namaky tranon’olona teny Ankaraobato ny alin’ny 10 may 2017, na tamin’nyenim-bolanalasa. TenyBevalalaizy no voasambotrany 27 novambratamin’ny 6 oramaraina. Very nandritra io vaky trano io ny televiziona « écran plat » iray, kiraro sy ankanjo maromaro, ary lelavola 200 000 ariary. . Ny alahady antoandro teo dia tsikaritry ny tompon’ny trano nisy nanao teny Andoharanofotsy ny kirarony sy ny ankanjony very tao aminy. Nanatona ny biraon’ny polisy avy hatrany izy ireo ka natao ny fikarohana ary nahitam-bokany avy hatrany izany rehefa nosamborina ilay olona nanao ireo kiraro sy akanjo ireo. Rehefa nosavaina ny tranony dia mbola hita tao ireo fitafy rehetra izay nangalariny tao amin’ilay trano novakiany , fa ilay Televiziona « écran plat » kosa dia efa namidiny teny Soamanandrariny, raha ny filazany ihany.
T.M.