- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Mpanendaka voasambotry ny polisy tany anelakelan-trano

Tanjombato : Mpanendaka voasambotry ny polisy tany anelakelan-trano

Tovolahy iray mpanendaka finday, firavaka no tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Tanjombato omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo. Nitsoaka tany anelakelan-trano izy io rehefa avy nanendaka fananan’olona. Nitetika ny hivoaka any amin’ny lalam-by kanjo sendra ireo polisy.  Ireto farany izay nanenjika azy ka izao tratra izao. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany.

Notazomina vonjimaika eny amin’ny « Commissariat de police » ny tenany mba hofotorana sy ahalalana ireo namany mpiara-miasa aminy. Anisan’ny faritra be mpanendaka ihany koa iny Tanjombato sy ny manodidina iny. Manao hetsika ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana azy ireo ary efa maro no tratra, saingy mbola misy hatrany. Manao andiany ireo jiolahy ireo, ary izay mahazo dia mitsoaka any amin’ny lalam-by eo Tanjombato. Ireo vehivavy sy ny mpianatra no tena lasibatra. Mitohy ny famongorana ireo tonta kely ataon’ny polisy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici