Tao amin’ny trano iray mbola eo andalam-panamboarana no nidiranan’ny olon-dratsy mpangalatra « compteur ». Tratra ambodiomby ary natolotra ny mpitandro ny filaminana. Anio no hatolotra ny fampanoavana ny voakasika. Nisesisesy ny halatra compteur tao an-tanàna ka nahatonga ny olona ho mailo. Nahomby tokoa ny fiambenana ireo olon-dratsy tamin’ity indray mitoraka ity.
D.R