
Lehilahy iray, 27 taona, no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisaria Tanjombato, noho ny resaka halatra niaro vono olona, nitranga ny herinandro lasa teo, teny Andohavato.
Olona iray mpiandry bus teo amin’io toerana io no niharan’izany herisetra nivaivay izay, araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana. Noendahin’ity lehilahy nosamborin’ny pôlisy ity ilay lasibatra, tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo. Mety nisy fanoherana sy tsy nanaiky mora ny halatra natao taminy ilay lasibatra tamin’io fotoana io ka novonoin’ity olon-dratsy ity tsy tam-pisalasalana mihitsy. Naratra mafy ilay mpiandry « bus » ary nitarika hatramin’ny fahafatesany izany. Nanao ny fikarohana izay nahavanon-doza ireo mpitandro filaminana, ka andro vitsy taty aoriana dia hita ity jiolahy ity. Nosamborina sy natao famotorana. Natolotra ny Fampanoavana taorian’izay ary fantatra fa nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
Fa ankoatra izay dia mpanendaka telolahy hafa ihany koa no voasambotr’ireo pôlisy hatrany teny amin’iny faritra iny, ny faramparan’ny volana lasa teo. Raha ny vaovao hatrany dia mpiasa handeha hody hariva ihany koa no lasibatr’ ireo telolahy ireto, ny herinandro teo hatrany, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any, teo Mahabo Andoharanofotsy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny kaomisaria avy hatrany izy ireo ary nandray ny andraikiny tamin’ny alalan’ny fikarohana ireto mpanao ratsy ireo tompon’andraikitra. Andro vitsy taorian’izay ihany koa dia noraisim-potsiny teny amin’ny toerana firembeny, teo am-piandrasana izay hazany manaraka indray ry zalahy ireto, ny alahady lasa teo. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ary natolotra ny Fampanoavana omaly.
Mazàna tokoa dia saika tokotany filalaovan’ireo tontakely ireny toerana fiantsonan’ny fiara fitanteram-bahoaka ireny, indrindra fa rehefa madiva hariva sy maizina iny ny andro ka tsy misy jiro manazava akory ilay toerana.
m.L