- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Mpiasa lahy, maty novonoin’ny patiraony

Tanjombato : Mpiasa lahy, maty novonoin’ny patiraony

matyTsy fantatra na mamon’inona aloha io rangahy io na mamon’inona, araka ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana fa dia novonoiny tsy nananany antra ity mpiasany. Ny harivan’ny Alarobia lasa teo tokoa, dia nisehoana habibiana, teny amin’ny fokontany Andohavato, Tanjombato, tokony ho tamin’ny 6 ora teo ho eo. Tovolahy iray, manodidina ny 17 taona, no nivoaka nivembena nihosin-drà, avy tao amina trano iray, fivarotan-tsaribao eny an-toerana. Tsindron’antsy roa be izao no nihatra taminy raha filazan’ireo nahita. Iray, notrobarana teo amin’ny kibony, nivoaka avy aty amin’ny tratrany, ary ny iray kosa teo amin’ny tendany. Niankarapoka tsy nahatsiaro tena io tovolahy io, noho ny habetsaky ny rà very. Nisy nilaza aza ny sasany tamin’ireo mponina teny an-toerana, fa efa nanomboka niala aina izy tamin’izay fotoana izay, ary tapitra teo ihany ny ainy. Efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, saingy tsy nahatratra ity nahavanon-doza ity intsony. Voalaza ireo manodidina fa ny vadin’io rangahy io no nentin’ireo mpitandro filaminana. Raha ny fitantaran’ireo olona nahita ny fizotry ny raharaha dia ankevitry ny mamo ity rangahy, mpampiasan’ity tovolahy ity. Mpivarotra toaka gasy miafina ihany ireo, raha ny voalazan’ireo mponina eny ihany. Tamin’izay fotoana izay dia nanasa ireo “robot mixer” irony ity mpanampy azy ity no nianjera io fitaovana io ka vaky. Romotra tamin’izany ity patirao ka avy hatrany dia tsy nisalasala, namono ity mpiasany. Ireo tsindron’antsy roa niantefa teny amin’ity tovolahy no nitarika ny fahafatesany. Hatreto mbola an-dalam-pikarohana io patirao tsy mifaditrovana io ny mpitandro filaminana, izay nitsoaka rehefa avy nahavita ity asa ratsiny ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser