- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Mpivarotra rongony maromaro voasambotra

Tanjombato : Mpivarotra rongony maromaro voasambotra

Manao sesilany ny olona voasambotra noho ny fivarotana rongony eto an-drenivohitra. Ny talata teo dia nahatratra olona efatra ny pôlisy. Teny Tanjombato Ankaraobato, ary amoron-dàlana fa tsy mba tany amin’ny elakelan-trano akory no mivarotra ireo olon-dratsy. Isan’ny voasambotra tao anatin’izany ny lehilahy antsoina hoe Ramiaramila, 49 taona. Rongony efa anaty fonosana miisa 20 ary rarany 200 girama, saika hamidy, no sarona teny aminy. Tsy ireo mpivarotra ihany fa mbola nisy hafa, mpanjifa, ihany koa nosamborina. Nambaran-dRamiaramila fa amidiny 500 ariary ny fonosana iray. Izany hoe vidiany 10.000 ariary ny iray sachet, eny Namontana, ary amidiny amin’ny antsinjarany avy eo. Efa herintaona izy no nanao io asa fivarotana zava-mahadomelina io. Ankoatra izay dia nisy lehilahy iray hafa koa tra-tehaky ny pôlisy teny Ambodivona omaly, teo am-pivarotana rongony hatrany. Nahitana rongony 45 fonosana lehibe tany aminy ary niaiky izy fa io no asa fivelomany. Avy any Mahajanga ny mpamatsy azy ary efa efa ho telo volana izy no nanao ity asaratsy ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser