- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Nisandoka varotra “mercure” voasambotra

Tanjombato : Nisandoka varotra “mercure” voasambotra

Ny faha-3 aogositra teo naharay fitarainana ny polisy avy etsy Tanjombato mikasika ny lehilahy iray nivarotra “mercure” sandoka. Natao ny fanadihadiana ka tratra taorian’izany ny lehilahy iray. Ilay mpividy no nametraka ny fitoriana. Efa nahazoan’ilay mpanambaka vola 2 tapitrisa ariary izy. 10 tapitrisa no vidin’ilay entana sandoka. Nojokoina ilay mpivarotra ka tratra. Efa mandeha ny famotorana amin’izoa fotoana izao.

Roalahy nahatratrarana basy. Nanao fisafoana ny polisy avy any Tanjombato ny alin’ny voaloahan’ny volana teo. Tamin’izay no nifanenany tmaina olona roa izay nampiahiahy azy ireo. Rehefa nosavaina ireo olona dia tsy nana karapanondro ary nisy basy iray vita gasy sy bala tany aminy. Rehefa nofotorana izy ireo dia nilaza fa basy hitany teny an-dalana ilay izy. Niditra lalin-dalina ny fanadihadiana ka nilaza ry zalahy fa amidy io basy io. Samy monina eny Ankaraobato izy roa ireo. Omaly no natolotra ny Fampanohavana.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser