Orinasa iray afakaba teny amin’iny faritra Tanjambato iny no nirehitra, omaly maraina. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza anefa dia antontan-taratasy maro no may tao. Voaaro tamin’izany kosa ireo fitaovana indostrialy tao anatin’io orinasa io, araka ny tatitry ny mpamonjy voina.
Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no nitranga ny loza raha ny fampitam-baovao azo. Trano lehibe iray misy rihana io ary irony orinasa mpanjaitra akanjo irony ao anatin’ny faritra Forello Tanjombato. Raha ny vaovao voaray, dia tao amina birao iray ambony rihana no niainga ny afo; izay tsy fantatra mazava hatreto aloha ny tena antony, saingy heverina fa mety ho « court-circuit ». Misy efitra enina tao amin’io birao izay samy may avokoa, araka ny angom-baovao hatrany. Antontan-taratasy maromaro sy karazana baoritra isan-karazany no may tao anatin’izany. Mazava ho azy, noho izy io orinasa, dia tsy nisy olona niasa tao amin’ilay toerana tamin’izany fotoana izany. Vantany vao nahazo antso moa ireo mpamonjy voina dia nandefa fiarabe maromaro teny an-toerana niezahana nifehezana ny afo noho ity faritra ity feno orinasa maro. Vetivety ihany no nifehezana izany na dia somary nampanano sarotra aza. Na izany aza anefa, dia tsy betsaka ihany ny fahavoazana noho ny fiarovana ireo fitaovana indostrialy rehetra izay tsy nisy nipika tao ambany rihana.
Fa ankoatr’ity teny Tanjombato ity, dia nitrangana hain-trano hafa ihany koa tetsy Manjakaray. Trano lehibe iray misy rihana izy io ary tany ambony, voalaza fa tao amin’ny efitra nisy ny lakozia, no niatombohan’ny afo. Heverina ihany koa, fa vokatry ny herinaratra no nahatonga ny afo, satria dia setroka nijolofotra mainty no nivoaka avy tao, taorian’ny nisian’ny lelafo. May avokoa ireo entana rehetra tao amin’ny efitra ambony rihana rehetra. Tsy voakasika kosa ny taty ambany. Marihana, fa tsy nisy olona tao amin’io trano io, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Tsy nisy araka izany ny naratra na ny namoy ny ainy. Tonga teny an-toerana namono ny afo ihany koa ny mpamonjy voina.
m.L