Telopolo gony tamina akora fantatra amin’ny anarana hoe « lotrene » (akora fototra fanamboarana fitaovana vita amin’ny plastika) no nahodin’ity lehilahy iray tao amin’ny toeram-piasàny tetsy Tanjombato. Ingahirainy, izay tsy iza fa mpiambina an’io toerana io ihany. Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy dia nahazo antso avy tamin’ilay orinasa ny pôlisy teny antoerana fa misy jiolahy mangalatra ao amin’izy ireo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any. Tamin’io fotoana io ihany dia tonga teny an-toerana ny pôlisy avy ao amin’ny UIR, nandeha nijery ifotony ny zava-nisy. Tra-tehaka tao ny lehilahy iray, izay tamin’ny voalohany dia nitonona avy hatrany fa mpiambina ilay orinasa. Tsikaritra anefa fa teo am-pibatana gonin-javatra maromaro ny lehilahy ary efa nahatafavoaka am-polony maromaro tany ho any. Akora fampiasa tao amin’io orinasa io ireto farany. Tsy afaka nanazava ny antony ny fihetsiny rahateo ranamana ka noraisim-potsiny. « Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy ity mpangalatra ity nanaovana fanadihadiana. Efa tafaverina tamin’ny tompony kosa ireo entana halatra » hoy ny fampitam-baovao azo. Notanana natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy moa ity mpangalatra ity, mandrampiandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L