- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Raim-pianakaviana namono ny zanany vavy 15 taona

Tanjombato : Raim-pianakaviana namono ny zanany vavy 15 taona

TanjombatoTsy fantatra izay nahazo ity raim-pianakaviana iray fa dia ny zanany vavy naterany no maty vono sy kasainy hovonoina, ny efatra febroary  teo,  teny Ankadilalampotsy. Efa nisara-bady moa ity lehilahy 39 taona ity ary  miara-mipetraka aminy ity zazavavy ity. Ny hariva efa maizina iny, nanao ny fikasihan-tanana ilay rangahy, efa fanaony moa ity fihetsika ity, raha vao misy zavatra tsy mifanaraka amin’ ny sainy dia ny famonoana no mandeha. Efa matetika loatra ny vono ka tsy nahazaka intsony ity farany ary niantso vonjy sy nandositra tany amin’ ny reniny, izay tsy dia lavitra loatra ny fonenan’ izy ireo. Tahotra sy horohoro tokoa mantsy no niainan’ ity ankizy ity nandritra ny taona maromaro. zaza hanomana ny fanadinana BEPC amin’ ity taona ity. Somary nanaitra tokoa mantsy ny fihetsik’ ilay rangahy fa dia antsy sy vy maranitra no nokasainy hampiasaina tamin’ io fotoana io. Taitra noho izany ilay zaza ka niezaka niaro ny tenany.  Divi-janahary no tsy nahavoa azy, satria nentin-katezerana ity rainy raha nikapa azy tamin’ ilay antsy. Nony tsy nahavoa io dia nikasa ny mbola hanenjika azy.

Ny manodidina moa no nahita ny zava-niseho ka tonga dia naka ny fepetra avy hatrany tamin’ ny alalan’ ny fiarovana ny ain’ ilay zaza. Vao mainka anefa niakatra afo ilay rangahy ka izay niaro an-janany teo indray no nanamparany ny hatezerany, ary tsy nisalasala mihitsy izy tamin’ izany fa saika hampiasa ilay antsy sy vy maranitra teny aminy. Ny sasany moa nandritra izany fifandirana izany dia efa lasa niantso ny Polisin’ ny “Commissariat Central” teny Tanjombato. Raha vao tazan’ ilay rangahy avy lavitra anefa ireto mpitandro  ny filaminana dia rifatra nitsoaka izy. Natao ny fanenjehana ka tsy tratra ilay lehilahy. Niezaka nidina matetika tao an-tranony moa ny ploisy saingy tsy nody tao intsony ranamana. Folo andro mahery no niafenany.  Efa nihevitra angamba ny lehilahy fa vita ny raharaha ary dia nosamborina fotsiny izy ny talata 18 febroary lasa teo ary natolotra ny fitsarana avy hatrany ny alarobia 19 febroary. Ny fahombiazan’ ny fisamborana moa dia avy amin’ ny fiaraha-miasan’ ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Anosy sy ny “Commissariat central Tanjombato”.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser