Vao avy nosamborin’ny polisy izy io ary nofatorana rojovy mba tsy hitsoaka. Kojakojan-tokantrano toy ny fahitalavitra sy famakiana kapila mangirana no anisany nalainy niaraka tamin’ny jiolahy hafa. Rehefa voasambotra izy dia nanaiky ny nanondro ny misy ny entana. Tamin’ny voalohany dia ny trano iray eny Ambohimanatrika no nolazainy fa nanafenana ireo entana halatra. Teny an-dàlana dia niova indray ny filazany ary eny Ambodivoanjo indray no natondrony. Efa nanomboka sorena ny mpitandro ny filaminana, satria toa mihanihany ity vehivavy mpangalatra ity. Kinanjo efa nisy kajikajy ny anao vavy amin’izay fomba mety hitsoahana. Rehefa nandalo teo amin’ny ranon’Ikopa dia nihazakazaka tampoka izy ary nitsoraka tao. Ny tànana anefa mbola nifatotra soa aman-tsara. Soa fa haingna ireo mpitandro ny filaminana izay nanaraka azy ary tsy lasa lavitra dia voavonjy. Vetivety dia nitangorona ny olona ary nisy nahazo sary mihitsy aza. Ny antoandro mbola fivezivezen’ny olona rahateo ny fotoana nitrangan’ny ity fikasàna hitsoaka ity. Na izany aza tsy tena fantatra izay tao anaty lohan’ilay vehivavy na tena hitsoaka ireo mpitandro ny filaminana tokoa na koa hamono tena. Samy nahatsikaritra mantsy, fa toerana izay famonoan’ny olona resin’ny fiainana tena ny ranon’Ikopa, indrindra ny ao ambany tetezan’i Tanjombato. Avy hatrany dia nentina niverina tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana indray, satria nitombo indray ny vesatra azo anenjehana azy noho ny fikasana hitsoaka. Tsy nahasakana ny fanadihadiana tsy nitohy anefa izany mahakasika ilay vaky trano izay notanterahany sy ny ekipany.
D.R