Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony ataon’ireo pôlisy misahana izany. Ny alatsinainy lasa teo dia rongony mahatratra hatrany amin’ny roapolo kilao tany ho any no saron’ny mpitandro filaminana teny amin’iny faritra Tanjombato iny. Olona iray no voasambotra tamin’izany, niaraka tamin’ny roa lahy hafa, izay mbola teo am-pifohana izany. Raha ny vaovao voaray dia isan’ireo mpamatsy rongony eny amin’iny faritra iny sy ny manodidina ity ranamana tompon’ny « entana » ity. Niainga tamin’ny vaovao tonga teny am-pototsofin’ireo pôlisy moa ny fanadihadiana ka nahafahana nahazo izao vokatra izao. « Olona mivarotra rongony eny Ankeniheny Tanjombato ». Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka lehilahy iray manodidina 21 taona no tra-tehaka teo am-pivarotana rongony. « Rehefa natao ny famotorana azy dia fantatra fa misy olona fangalany ireo rongony amidiny ireo. Nanoro ilay olona izy ary nandeha nakany an-tranon’io mpamatsy rongony azy io ny polisy ». Tratra tao moa ny lehilahy izay mbola niaraka tamin’ny rongony roa gony izay milanja eo amin’ny 19 kilao mahery kely teo. Ambonin’izay dia mbola nahitàna fonosana miisa 84 (1,260 kg) ihany koa tao aminy, izay efa vonon-kamidy ho an’ireo mila izany. Nanaiky hatrany moa ilay rangahy fa azy ireo zava-mahadomelina ireo ary olona avy eny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny no nahazoany azy. Ity farany moa izay tsy mbola fantatra hatreto fa eo an-dalam-pikarohana azy ireo pôlisy.
Fa ankoatra izay dia tovolahy miisa telo ihany koa no voasambotra teny amin’iny faritra Mascar Anjanahary iny noho izay fifohana zava-mahadomelina izay hatrany, mbola io alatsinainy io hatrany. « Nikasa ny handositra izy ireo saingy voasambotra avy hatrany. Rehefa nosavaina dia nahitana rongony iray fonosana teny amin’izy ireo ». Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ireo mpamatsy sy mpifoka rongony ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany.
m.L