Misesisesy hatrany ny fahitana fatin’olona etsy sy eroa. Nahitana fatim-behivavy indray ny ranon’Ikopa ambany tetezana eny Tanjombato, ny marainan’ny omaly zoma 26 aogositra, manodidina ny tamin’ny enina ora tany ho any. Hatairana avy hatrany no nahazo ireo mpitondra lakana izay nivezivezy niasa teny ka nahita ity razana ity voalohany nitsingevana teo amoron-drano anaty honahona. Nampiantso fokonolona avy hatrany izy ireo ka ny sasany tamin’ireto farany avy eo no niantso haingana ny sampana mpamonjy voina. Niarahana nisikotra tao anaty honahona noho izany ilay faty mba hahafahana mampiakatra azy an-tanety. Marihina fa nihohoka no nahitana azy ity izao natsingevan’ny rano izao. Tombanana ho manodidina ny 25 taona eo ho eo ilay vehivavy. Tsy nahitana karatra na taratasy mety nahafantarana azy teny aminy. Ireo rehetra nahita ihany koa samy nilaza ho tsy mahafantatra io vehivavy natsingevan’ny rano io avokoa. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava ny tena nahafaty ity vehivavy ity na fianjerana tao anaty rano na nisy namono na kosa famonoan-tena tsotra izao. Fantatra mantsy, taorian’ny fanadihadiana ny manodidina, fa efa nisy ihany ireo nahatazana an’ity vehivavy ity nihaodihaody manodidina io rano io ny andron’ny alarobia 24 aogositra lasa teo, izany hoe roa andro nialoha izao nahitana ny fatiny izao. Ny akanjo hita teny aminy ihany no tazana nanaovany tamin’izany ka nahatsiarovan’ireo olona azy. Marihina fa tsy nahitana ratra na diam-bono teny amin’ity vehivavy ity ka anisan’ny mbola mampametra-panontaniana ny antony nahafaty azy. Efa nalain’ny BMH ny razana ary efa naterina eny amin’ny tranom-paty ao amin’ny HJRA.
Anosizato. Ankoatra izay, nahitana fatin-dehilahy natsingevan’ny rano ihany koa tetsy Anosizato atsinanana ny andron’ny omaly ihany. Tsy nahitàna taratasy nahafahana nahafantatra izay mombamomba azy ihany koa teny aminy fa raha ny tombantombana dia tokony ho 35 taona eo ho eo izy. Tsy nahitana akanjo amboniny teny aminy fa ny pataloany sisa no nanaovany teny. Marihina fa nahitàna fatin’akoho ihany koa teo akaikin’ilay razana. Raha ny filazan’ny manodidina dia fantatra fa handeha hamonjy io akoho io, izay nianjera tany anaty rano, no nahatonga ity lehilahy ity niroboka ny rano saingy izao nitarika ho amin’ny fahafatesany izao.
Niony H.