- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Tafatsoaka tao anaty 4X4 mainty ilay tovovavy

Tanjombato : Tafatsoaka tao anaty 4X4 mainty ilay tovovavy

Ny reniny no nampandre ny mpitandro ny filaminana. Nolazainy tamin’izany fa niala vao  maraina tao an-tranony ilay tovovavy ary nikasa ny hanatitra dosie momba ny fianarany. Tsy mbola nisy nahiana hatreo satria toa ny olona mivoaka ny trano isan’andro ihany. Rehefa naharay hafatra fohy tamin’ny finday anefa ny reniny momba ny fisian’ny andian’olona nanery azy hiakatra an-keriny tao anaty fiara tsy mataho-dàlana miloko mainty, teo no nanomboka nikoropaka. Isan’ny voamarik’ilay renim-pianakaviana ny fisian’ny fanambanana basy ilay tovovavy mba hanekeny izay toromarika rehetra. Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro dia nisy afaka nandeha sms tany amin’ny sakaizany ary koa niantso tamin’ny taxi-phone ilay tovovavy izay nilaza fa tafatsoaka teo am-pelantànan’ireo olona naka an-keriny azy. Omaly ihany dia efa nanatona ny mpitandro ny filaminana ary nentina natao fizahana teny amin’ny hopitaly ilay tovovavy. Momba ity raharaha izay mampihorohoro ity ihany dia nanazava ny minisitry ny polisy fa marobe ny miantso ny laharana maintso 988 izay napetraky ny mpitandro ny filaminana saingy ny mpananihany no betsaka amin’izy ireo. Raha 80 isan’andro eo ny antso izay azo, ny 75 amin’izany dia olona mananihany ary ny dimy kosa dia ireo mitsapatsapa, izy indray no maka vaovao. Midika izany fa tsy maintsy ny fahaiza-manaon’ny mpanao fanadihadiana ihany no tena hahitàna ny olon-dratsy satria tsy mbola tena tonga amin’ny fanomezana vaovao sy fitsanganana vavolombelona ny olona sasany. Raha ny re avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana aza dia na ny havan’ny tovovavy sasany izay niharan’ny herisetra aza dia misy ny tsy dia vonona ny tena mitantara izay nitranga fa rehefa hita ny zanany dia nijanona hatreo. Tsy maintsy avy amin’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona izay manana izany anefa no handehanan’ny fanadihadiana haingana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici