- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Toaka gasy 300 litatra, sarona niaraka tamin’olona 5

Tanjombato : Toaka gasy 300 litatra, sarona niaraka tamin’olona 5

Saron’ny polisy miady amin’ny fidorohana zavamahadomelina, ny alatsinainy teo, teny Tongarivo Tanjombato, ny toaka gasy eo amin’ny 300 litatra eo ; natao tanaty tavoahangy plastika 1 litatra ary nafenina tao anaty gony maromaro. Olona dimy no nosamborina, ka ny telo tompon’ny entana, ny iray mpamily fiara ary ny iray zanaky ny tompon’ny fiara. Nahazo vaovao ny mpitandro ny filaminana ny amin’ny fisian’io toaka voarara io. Nidina nanaraka ny lalam-pirenena faha-7 izy ireo. Hitany teny amin’ny fivarotana lasantsy teny Iavoloha ilay fiara Mercedès nitondrana ny toaka. Narahana izay nalehany ka dia izao tratra teny Tongarivo izao. Rehefa natao ny fisavana, dia hita tao tokoa ireo tavoahangy marobe feno toaka ireo. Nahitana taratasin-toaka hosoka tamin’ny anaran’ny « Ainga Niala » tany amin’ireo olona voarohirohy. Izany taratasy izany hoy ny vaovao, dia ny mba hanakonana ny fisavana eny an-dàlana. .

Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo olona dimy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser