Lehilahy iray, 22 taona, no hita faty nihantona tamina fefin’olona tetsy Tanjombato, omaly maraina. Raha ny hita tety ivelany dia toa hoe namono tena ity lehilahy ity, saingy toa tsy izay anefa no zava-nisy, raha ny fanadihadianay teny an-toerana..
Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ampefiloha « cannibale », tetsy Tanjombato, omaly maraina. Fatin-dehilahy nihantona tamin’ny alalan’ny tari-by teo amin’ny tendany, teo amin’ny fefin’olona no hitan’ireo fokonolona. Lehilahy, izay tombanana ho manodidina ny 22 taona eo ho eo, raha ny fitantaran’izy ireo. Namono tena sa nisy namono ? Nampiantsoana avy hatrany ireo mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra misahana iny faritra iny. Araka ny fanadihadianay teny an-toerana dia voalaza fa izany « Justin » izany no anarany ary irony mpitatitra entana irony ny asany, eny Anosibe. Eny ihany koa ny misy azy. Nambaran’ireo loharanom-baovao teny an-toerana hatrany fa « nisy nitondra hiasa, ary nampiantrano azy teny an-toerana, nanomboka ny alahady lasa teo ». Nanomboka teo ity tovolahy ity no fantatra fa nihaodihaody teny amin’iny faritra nahitana azy, efa vatana mangatsiaka izao.
Nisy namono ? « Tsy azonay heverina ho namono tena ny havanay fa mety nisy namono. Efa miahiahy olona izahay ary tsy maintsy hametraka fitoriana », hoy ny filazan’ny iray tamin’ireo fiankavian’ny maty tonga teny. Araka izany tokoa, nambaran’ireo mpitandro filaminana tonga voalohany teny an-toerana fa kotsa tanteraka, toy ireny avy nalatsaka tany anaty rano ireny ny razana ny maraina. Toe-javatra izay manamafy ny mety ho fisian’ny vono olona talohan’ny nanafenana izany ho karazana famonoan-tena. Izany hoe, mety ho efa novonoina tany ho any izy io ary mody nahantona teo amin’io fefy io. Etsy andanin’izay indray anefa, tsy nahitana dian-dratra tamin’ny vatany, tamin’ny fitsirihana ifotony nataon’ireo pôlisy siantifika sy ny mpitsabo tonga teny an-toerana, ankoatra ny faritra mangana amin’ny tendany, dian’ilay tariby nihantonany. Efa eny am-pelatanan’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava moa ny raharaha, izay tonga nanao ny fanadihadiana ifotony teny an-toerana.
m.L