- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato- Vaky trano sy fanolanana : Lehilahy fito, nosamborin’ny polisy

Tanjombato- Vaky trano sy fanolanana : Lehilahy fito, nosamborin’ny polisy

Mpamaky trano fito lahy no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomiasaria Tanjombato, ny alin’ny alatsinainy 24 oktobra lasa teo tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any. Teny amin’ny toerana antsoina hoe Ambaniatsimo izy ireo no tratra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa ny alin’ny 23oktobra dia nisy nanafika ny trano irey teny amin’ny toerana antsoina Ifarihy ka very tamin’izany ny : vola 300 000 ariary, televiziona, fakan-tsary, firavaka volafotsysy ordinatera ary ampli. Vao nahafantatra ny vaovao ny polisy, dia nandeha teny an-toerana. Tsy nisy tratra intsony anefa ireo mpamaky trano, fa efa niala ny toerana. Tsy nijanona tamin’izany anefa ireo mpitandro filaminana fa nanohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy niandry ela akory dia izao tratra izao ry zalahy. Tamin’ny fanadihadiana natao, voalaza fa niaiky ny zavatra nataony izy ireo. Ny roa tamin-dry zalahy dia voatondro fa nanolana ny ramatoa tompon-trano sy tovovavy iray 13 taona mipetraka ao amin’ity trano ity. Ireo entana nangalariny kosa dia nolazainy fa efa nisy ny namidy teny amin’ny Petite Vitesse. Nisy naman’ireto bandy ireto tafaporitsaka ary karohin’ny mpitandro filaminana fatratra amin’izao fotoana izao. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici