- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Vola 60 tapitrisa ariary sy volamena latsaka tao Ikopa

Tanjombato : Vola 60 tapitrisa ariary sy volamena latsaka tao Ikopa

Ilay mpanampy an-trano izay niray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy (sary polisy)

« Natelin’ny ranon’Ikopa, mifanandrify amin’Ankadievo ny vola mitentina 60 tapitrisa ariary sy volamena maro » raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana heloka bevava (BC). Toy izao ny zava-nitranga : ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora sasasny alina dia nahazo antso avy amin’ny Commissariat Central Tanjombato ny BC ,fa misy roa lahy nandositra tamin’ny fiara Patrol iray rehefa avy nanafika. « Raha nihazo ny lalan-tsarety teo Ankadievo ireo jiolahy dia tapi-dalan-kaleha, satria dia tsy afa- nandroso intsony ilay fiara. Teo dia navelan’ireo jiolahy ny fiara ka lasa izy nitsoraka hiampita ny ranon’ikopa an-domano niaraka tamin’ny volabe sy ny volamena maro (…) rendrika ny iray ary ny faharoa kosa tafita ny rano ihany, saingy dia tsy tana intsony koa ny ainy » raha ny hita tao anatin’ilay fampitam-baovao hatrany. Raikitra ny fikarohana nanomboka teo, nifanampy ny fokonolona sy ny mpamonjy voina. Ny ampitson’iny vao hita ny fatin’ireo olona roa. « Ilay vola sy volamena nangalarin’ireo kosa dia natelin’ny rano ka mbola tsy hita ankehitriny » raha ny fanamarihana azo. Nisy kara-panondro roa teny amin’ireo razana. Rehefa nohamarinina dia kara-panondro sandoka koa ireo. « Ramanantsoa Roger sy Razafimahatratra Jacquot Jimmy no tena anaran’izy ireo. Efa in-droa voaheloka higadra valo taona an-tranomaizina teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy i Roger noho ny halatra sy fikambanan-jiolahy, ny 12 aprily 2011. Nahazo fahafahana izy ny 23 aogositra 2016 rehefa nahazo famotsoran-keloka telopolo volana. Dia izao namerina ny asaratsiny izao indray » hoy ny polisy. Notohizan’ilay fampitam-baovao, fa ilay mpiasa vavy tao amin’ilay tokantrano voaroba ihany (sakaizan’i Roger izy io) no niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy. Ilay fiara 4×4 Patrol indray, dia fiara nangalarina tetsy Mahamasina ny tolakandron’ny zoma 23 febroary.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici