- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Zazalahy kely maty voadonan’ny fiara

Tanjombato : Zazalahy kely maty voadonan’ny fiara

Nitohana ny làlana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito omaly. Tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Andoavato Tanjombato. Vokany, zaza kely, lahy, vao 5 taona no namoy ny ainy. Ny vaovao no nahalalana fa niaraka niantsena tamin’ny zokiny ity zaza ity io maraina io. Raha mbola variana anefa ilay zokiny, tsy hay izay zavatra niseho na lasa nitsoriaka izy na ahoana. Izy efa tao ambanin’ilay fiara Peugeot vao taitra ny olona. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa tsy nahafantatra na inona na inona ilay zokiny tamin’io fotoana io. Ilay zaza anefa nosokirina avy ao ambany fiara mihitsy vao afaka. Efa tsy nisy aina intsony izy tamin’izay.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser