Lalao ara-panatanjahan-tena hihaonana’ireo tanora Anglikana ny lalao Besopy. isan-taoana dia misy hatrany ity lalao ity ka saika ahitana solontena avokoa ireo disitrika 13 mandrafitra ny diosesy Antananarivo. Tontosa ny faha 7-8 Jolay lasa teo ny lalao andiany faha-12. Toy ny mahazatra dia tao amin’ny IFLA Lazaina hatrany no hanatanterahana izany. Taranja maro no andrasan’ireo tanora anjara amin’izany, toy ny lalao baolina kitra, volley Ball, Baseket Ball , tenisy ambony labatra sy ny tsipy kanetibe ary lalao ara-tsaina isan-karazany. Ankoatra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena dia nampiavaka ity andiany faha-12 ity ny fisiana fampirantiana samihafa nataon’ireo mpikararaka, toy ny vaomieran’ny serasera, teo ihany koa ny fanentanana ny tanora amin’ny fisorohana ny vokadratsin’ny zava-mahadomelina. Ity sampana ity izay vaomera vaovao nosakafana mba hanampy ny tanora tsy hiankin-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ankoatra izay ny fampirantiana ny antsoina hoe “permaculuture”, fandaharana iray ezahina haparitaka manerana ny RIATA, na Rindran’asan’ny TAnora Anglikana. Tratra ny tanjona, araka ny fanazavana, satria ankaotra ny maha lalao ara-panatanjahan-tena azy dia natao hifanakolazana sy hihaonan’ireo tanora manerana ny distrika ny lalao Besopy.
Andry N.