- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Tanora lian-drà » ao Toamasina : Voasambotra mpitarika azy ireo niaraka tamin’ny namany...

« Tanora lian-drà » ao Toamasina : Voasambotra mpitarika azy ireo niaraka tamin’ny namany ampolony

Ireo andian-tanora mpampihorohoro voasambotra.

Anisan’ny nalaza indray ary vao maika nampiteraka savorovoro sy tahotra teo amin’ireo mponina ny fisian’ireo andiana tanora mandratra olona eny an-dalana, ao an-tampon-tanànan’i Toamasina ao. Raha ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana dia mitonona ho « Fikambanan’ny lian-drà mahery » izany izy ireo na « FLM » ary mampihorohoro sy mandratra mihitsy. Raha ny voalaza hatrany dia efa maro no efa lasibatr’ireto tanora ireto, izay mitovy tsy misy valaka amin’ireo « foroches » tany Antsiranana. Ary ny tena loza aza dia efa nisy mihitsy ny namoy ny ainy, vokatr’izay hetraketraka sy vono ary ratra izay. Ny mahagaga, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo dia tsy maka na inona na inona eny amin’ireo izay lasibatra ireto andian-tanora ireto fa dia tena hoe « lian-drà » fotsiny izao. Antsy lava sy sabatra moa entin’ireto farany manao ny asa ratsiny. Ny tao Mangarivotra Avaratra no tena nataon’izy ireo nitondra faisana tamin’izany. Efa tonga teny am-pototsofin’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny fihetsiketsehan’ireto andiana tanora « lian-drà » ireto ary nisy avy hatrany ny hetsika nataon’izy ireo, nanomboka ny sabotsy lasa teo, nitohy hatramin’ny omaly. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy fa teo anatrehan’ny zava-nisy, izay tsy honohono intsony fa tena zava-misy marina dia niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany izy ireo. Tao anatin’ny efatra andro dia tovolahy nahatratra hatramin’ny 10 teo no tra-tehaka ary nentina nihazon’ny biraon’ny pôlisy avy hatrany. Ny talata teo, taorian’ny famotorana ireto voasambotra dia tsy afa-bela tamin’ireo pôlisy ihany koa ny tovolahy iray, izay fantatra fa mpitarika ireto tanora « FLM » ireto. « Voamarina izany tamin’ alalan’ny kapa nanaovany izay adino niaraka tamin’ireo namany voasambotra » hoy ny vaovao azo. Marihana fa mbola tsy ampy taona avokoa ny ankabeazan’ireto andian-jatovo mampihorohoro ao Toamasina ireto, izay voarohirohy tamin’ny fanakorontana ny filaminam-bahoaka sy herisetra an-dalambe. Ny tena mahavarina dia mbola mpianatra soa aman-tsara ihany koa ireto farany fa tsy hoe zaza miriaria foana akory. Mpianatra ao amin’ny fokontany Mangarano II. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana dia tany amin’iny RN2 Bis iny no nanombohana nahenoana azy ireo, saingy io nihitatra tao Mangarivotra io. Na dia efa eny am-pelatanan’ny pôlisy ity aza anefa ny voalaza fa mpitarika azy ireo dia mbola manohy ny fanadihadiana sy famotorana ireto farany hatrany ny pôlisy.

m.L / Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici