Hafa kely ny fomba nanentanan’ny TMK na Tanora Maneho Kanto teto Antsirabe ny fandraisany anjara ho fiarovana ny tontolo iainana sy fanentanana ireo mpifoka sigatra tsy hanary ny borka- sigara eny an-dalana. Fokontany maro teto Antsirabe no nikasana hanaovana ity hetsika ity saingy noho ny ora nikija nandritra ny fotoana niasana dia voafetra ho ora roa ihany sisa niasana. Na izany aza dia nahatratra 9404 isa ny borka sigara voaroka tao anatin’izay ora roa izay. Niainga teo Soavina nanodidina ny gara ny fitsimponana Borka sigara nadalo Andranomafana ary nifarana teo amin’ny Hotel des Thermes. Isan’ny fako iray tena manimba ny rano fisotro madio ny borka sigara satria borika sigara iray monja dia afaka mandoto rano 1500 litatra. Tsy vitan’izay fa akora simika mihoatra ny 4000 isa no entiny anapotehana ny tontolo iainana ary maharitra hatramin’ny 9 taona vao levona tanteraka ny borika sigara hoy Rtoa Fenofitondrana Rakotozanakajy filohan’ny TMK eto Antsirabe.
TaoFianarantsoa no niantombohan’ny hetsika, avy eo tao Antananarivo talohan’izao teto Antsirabe izao, ny Fondation Fivoarana Sahaza MG sy ny fondation Terra Futura no niara niasa tamin’ny TMK ka nahatontosana izao hetsika izao. Fantatra fa ao Ambositra kosa no hanatanerahana ny andiany faha efatra amin’ny “No mégots” na fitsimponana borka sigara ity. Notsipihinan’ny filohan’ny TMK eto Antsirabe fa tsy manentana ny olona tsy hifoka sigara no tanjona fa fanentanana ny olona hiaro ny rano fisotro madio sy fampianarana ihany koa, voalaza fa maro tamin’ireo mpifoka sigara no tohina nahita ny tsy mpifoka sigara mandroka borka sigara eny andalam-be.
Andry N.