- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversFaritra Alaotra-Mangoro : Tanterahina ao Tanambe ny “Tsenaben’ny tantsaha”

Faritra Alaotra-Mangoro : Tanterahina ao Tanambe ny “Tsenaben’ny tantsaha”

Efa ela no niandrasana ity hetsika ity ka raikitra izy ankehitriny. Hotanterahina ao Tanambe, distrikan’Amparafaravola  mandritry ny 6 andro ka hanomboka ny 17 jona  ary tsy hifarana raha tsy 22 jona ho avy izao. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, ramatoa Mirana, dia natao mifanindry amin’ny fetin’ny fahaleovantena ity hetsika ity, izay andiany voalohany. Na izany anefa dia hita ho mavitrika daholo ny rehetra hiatrika izany satria hatreto dia trano heva miisa 40 ka iandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 10.000 no efa fantatra fa ho hita ao. Araka ny fanazavana azo hatrany dia ho fanandratana sy fampahafantarana ny vokatra rehetra izay misy any an-toerana sy ny faritra Alaotra-Mangoro no anton’izao foara izao izay ahitana fampiratiana ny vokatra fiompiana, ny fambolena ary indrindra fa ireo karazana asa tanana mampiavaka ny faritra.  Nosafidiana manokana i Tanambe, hoy ramatoa mpikarakara noho izy manana ireo karazam-bokatra maro lafy sy ny asa tanana izay mampiavaka azy sy ny fambolena ary ny fiompiana. Fanehoana ny kaomina Tanambe mihitsy no anton’izao nohon’ny fampandrosoana entiny toa ny fitaovam-pamokarana, ny fitaovana fampiasa amin’ny fambolena, toy ny kibota sy ny trakitera. Haseho ao amin’ireo trano heva ireo ihany koa ny karazana masomboly, ny vokatry ny tany sy ny fiompiana, ny resaka gony, izay mampiavaka ny kaominina. Mandritra io 6 andro io ihany koa dia hisy ny fifaninana ara-kolotsaina sy ara-panatanjahatena toy ny “Lido”, tsipy kanety be, hazakazaka anaty gony, ny hazakazaka taksy bisikileta, ny mandrandrana vola sy mandrary, sns…. Hisy ny loka omen’ny mpikarakara ho an’ireo izay mandresy amin’izany. Hisy ihany koa ny fampisehoana fitafy izay mampiavaka ny kaominina. Noho izany, fararanon-dalonana ho an’ny kaomina Tanambe moa ity hetsika ity. Ny alin’ny 19 jona kosa dia ny tarika Njakatiana no hanafana ny sehatra amin’ny alalan’ny “cabaret”. Ny faritra Alaotra Mangoro sy ny Distrika no mpiahy ity foara ity, hoy hatrany ramatoa Mirana, izay isan’ireo mpikarakara ny hetsika no sady filohan’ny “Association des Clubs Sprotfis” Tanambe.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici