- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTantsambo Malagasy tafahitsoka any ivelany : Mirary fifampiraharahana amin’ireo sidina manokana frantsay

Tantsambo Malagasy tafahitsoka any ivelany : Mirary fifampiraharahana amin’ireo sidina manokana frantsay

Efa nisy ny fotoana nitarainan’ireto Tantsambo Malagasy izay niasa tamin’ny orinasam-pitaterana an-dranomasina samihafa, ka zary tra-pahasahiranana tahaka ny mpivahiny rehetra mipetra-potsiny, tsy an’asa any an-tanin’olona. Nitranga moa izany noho ity valanaretina “Covid-19” ity. Maniry ny hiverina an-tanindrazana ny 710 amin’izy ireo raha araka ny fanambaran’ny fikambanan’ny mpila ravinahitra « Zanak’i Gasikara » ka mila ny fanampian’ny mpitondra aty an-toerana amin’ny hahafahany manao ny dia, toy ireo efa nody teo alohany. Henon’ireo mpila ravinahitra ireo anefa ny fisian’ny sidina intelo miantoana (6 jolay, 10 jolay, 12 jolay) hiainga avy ao amin’ny Nosy La Réunion haka ireo teratany vahiny tavela aty Madagasikara. « Fanirianay ny hifampiraharahan’ny mpitondra malagasy amin’ireo tomponandraikitra ka hampandalovana ireo sidina ireo any amin’ny Nosy Kaomaoro, hitondra ireo Malagasy tafajanona ao na izay afaka mamonjy ireo fiaramanidina ireo ao », araka ny fanambarana nampitain’ny « Zanak’i Gasikara » tamin’ny solontenany eto an-tanindrazana, Rasambozafy Cyrille, omaly. Nampahatsiahy ity farany fa efa tongotra mby an-dakana hatry ny ela ny tantsambo malagasy 128 any Soisa sy ny 50 hafa tavela any Dubaï fa miandry ny fampiharana ny fanapahan-kevitra fanamorana ny fampodiana azy ireo araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny fiandohan’ny volana teo fotsiny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici