- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTao anaty boite iray : Mpitandro ny filaminana saika hifamono

Tao anaty boite iray : Mpitandro ny filaminana saika hifamono

Voadona kely ny sipan’ny iray ary niraraka tamin’ny tany ny zava-pisotro teny an-tanany. Nitaraina tany amin’ilay lehilahy mpitandro ny filaminana, izay namany na sakaizany, raha ny fihevitry ny maro ilay vehivavy. Tonga ny hatezerana ary nisy ny felaka tehamaina. Tsy mbola nifankahafantatra rahateo teo. Ny olana dia hay mpitandro ny filaminana ihany koa ilay niharan’ny herisetra. Tsy vitan’izany fa mbola eo anivon’ny vondron-kery sangany ary manana fiofanana manokana. Raikitra ny fifandirana satria vondrona roa samihafa izy ireo. Tsy vitan’izany fa hay samy vondrona roa samy manana fiofanana manokana. Loza no saika nitranga tao amin’ilay trano filanonana. Mba tsy nirefotra ny basy na izany aza. Tonga teny amin’ny lehiben’ireo « olon’ny lalàna » ny feo ary nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany. Nisy ny fifampiraharahana nandritra ny andro maromaro izay momba ity raharaha ity. Marobe ny fanontaniana mipetraka rehefa mitranga ny toa izao. Na ireo voakasika aza dia mety manontany tena hoe mbola mendrika ny hitandro ny filaminana ihany ve izy ireo sa kosa asa hafa no mety aminy?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser