Tao anaty ranobe ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ho an’I Toamasina renivohitra. Saika feno rano avokoa ny arabe sy ny Tanana tao anatin’izany, isan’izany ny tsangambato fahatsiarovana ity 29 martsa 1947 eo amin’ny fasam-bahiny Toamasina ity. Niatomboka tamin’ny fotoam-bavaka ny lanonana natao tao anatin’izany, izay natao tao amin’ny fiangonana Notre Dame de Lourde. Vokany tao anaty oram-be izany ny fanateram-bonikazo natao izay nantrehan’ireo bekotro maro holatra sy ny fianakaviany ary ny vahoaka hany mba tonga teny. Niatrika izany ny governoran’i faritra Atsinanana sy ny prektiora ary ny ben’ny Tanana notronin’ireo talem-paritra samy hafa teto Toamasina. Tao anatin’ilay rivo-doza gamane mantsy dia tsy nitsahatra nijojo ny orana teto Toamasina, hany ka saika rano be avokoa ny Tanana manontolo eto Toamasina, idrindra fa ireo faritra iva toy ny ao Mangarano – Ambalamanasy – Mangarivotra – Andranomadio – Ambohijary – Salazamay – Ankirihiry – Tanambao V – Tanamakoa – Mangarivotra – … ary Barikadimy. Maro ny fitarainan’ny olona saingy atrikasa indray amin’ny fiakaran’ny rano no nataon’ny prefektiora tao amin’ny biraony tao Mangarano II momba izany, izay nitarika adi-hevitra maro tamin’ny vahoaka satria efa hiatrehana ny rano be ankehitriny. Ao anatin’izay dia miangavy paompy fisitonan-drano ny vahoaka mba hialan’azy ao anaty rano-potaka tafiditra an-trano aloha, aoriana izay vao mitady hevitra amin’ny fangadiana lalan-drano isam-pokontany. Raha izao aloha no mitohy dia tsy ho ritra ny rano raha tsy afaka tapa-bolana iray volany any.
Malala Didier