- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTaolaganro : Mpizahantany voaroba, very ny vola vahiny

Taolaganro : Mpizahantany voaroba, very ny vola vahiny

Mbola iharan’ny hetraketrak’ireo jiolahy ny mpizahatany tonga mivahiny amin’iny distrikan’iFort-Dauphin iny. Tamin’ny fandalovan’ny sambo iray tany an-toerana ny herinandro teo iny, raha sendra nitsangatsanga tany amin’ireo torapasika manodidina ny tanàna ireo mpizahatany vitsivitsy,dia norobain’ireo tanora  mirahalahy  tontakely, mirongo fitaovam-piadiana. Tao amin’ny tora-pasik’Ambinanikely no nitrangan’izany. Tamin’ny fotoana  mangina, tsy nahitana olona nivezivezy no nanatanterahan’izy roalahy ny asa ratsiny, ka nanafihana sy nakany  ny entan’ireto mpizahatany ireto. Lasa tamin’izany ny vola vahiny, sy entana maro ary ny fakantsary  lafo vidy sy ny maro hafa.Tsikaritr’ireo mpitandro filaminana  izany. Mailo avy hatrany rehefa tonga tao Ehoala ny Sambo iray  hafa ny 26 desambra teo. Raha iny hangalatra iny indrindra mbola ireto roalahy ireto ihany no tratran’ny vela-pandriky’ny mpitandro filaminana ary dia noraisim-potsiny. Ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana nanaovana fanadihadiana.Tamin’ny fakana ambavany azy ireo no nahafantarana fa tsy tanora ao Fort-Dauphin izy roalahy ireto fa avy any Amboasary Atsimo. Naheno mantsy izy ireo fa hisy mpizahatany entin’ny sambo lehibe ao amin’ny seranantsambo lehiben’i Ehoala. Nararaotin’izy roalahy ireo izany. Tanteraka ny nokasaina. Ny fomba toy izany no maharatsy endrika ny tontolon’ny fizahantany any an-toerana. Nanentana ny mponina ny mpitandro filaminana sy ny ao amin’ny ôfisim-paritry ny Fizahantany (ORT) any an-toerana mba ho mailo ary, hilaza sy hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy olona na tranga mampiahiahy.Fa tsetsatsetsa tsy aritra ihany no ilazana fa tsy mbola miverina amin’ny laoniny ny  fandriam-pahalemana ao amin’ny Pic Saint Louis,toeram-pitsangatsanganana,anisan’ny manana ny maha izy azy any an-toerana ankoatra ny torapasik’i Libanona sy ny trano fandraisambahiny “TALINJO”.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser