- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 11, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaolagnaro : « Bois de rose » 600 isa tratra tanaty sambo

Taolagnaro : « Bois de rose » 600 isa tratra tanaty sambo

Tamin’ny zoma lasa teo no nahatratraran’ny tompon’andrikitra « bois de rose » miisa hatrany amin’ny 600 tany ho any tany amin’ny helondranon’i Manantenina, any Taolagnaro, faritra Anosy, bolabolan’andramena miisa hatrany amin’ny 600 tao anaty sambo iray. Efa vonona handeha mihitsy ity sambo ity no nihitsoka teny an-dranomasina. Tonga ny tompon’andrikitra nanao ny fisavana ka tamin’izany no nahasarona ireo hazo sarobidy ireo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa olona dimy amin’izao fotoana izoa no tazonina mikasika ity fanondranana an-tsokosoko ity. Saika ireo helidrano marobe eto amintsika no ampiasain’ny mpanao trafika handefasana ny “bois de rose” any ivelany. Raha ny any amin’ny faritra Anosy manokana, fantatra araka ny vaovao voaray fa mirotsaka manao ity trafika ity ihany koa ny tantsaha. Volana vitsy lasa izay no nandrenesana fa sahy mikapa ity hazo ity ny ampahany ary dia mivarotra izany eny amoron-dalana eny. Amin’ny vidiny tena mora, hoy hatrany ny vaovao. Tsy mahagaga fa be dia be ny hazo aondrana.

r.s.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser